Skoto Malagasy Maneran-tany - Madagasikara : 034 06 346 00 - Am-pielezana : 00 33 652 954 185 (frantsa) 

mailaka : skotomg@gmail.com

 

Filoha Ando - fitantanana

 Ndeha hamantatra !!!

Araka ny vaovao efa nolazaina antsika tao aorian'ny fihaonana voalohany nataon'ny SMM ny 29 martsa 2009 lasa teo, dia nitombo ny mpiara-miasa mpitantana ny vondrona.

Izany no natao dia ny mba hanatsaràna kokoa ny zavatra rehetra aroso antsika eto sy hanetsiketsehana bebe kokoa ny mpikambana rehetra handray anjara.

Indro ary atolotra anareo, rehefa nokononina andro vitsivitsy, ny masaka azo tonga dia harapaka, mombamomba an'i Filoha Ando, mpitantana eto amin'ny SMM izany.

 

 

SMM : Iza moa ise ?

Ando : RAKOTOMANANA Ando Henintsoa no anarako, efa 19 nanaovana skoto, nanomboka tamin'ny voronkely, nandalo kely mpanazava maitso, niato kely 4 taona, avy eo nirotsaka ho isan'ny TEM (Tily Eto Madagasikara) tamin'ny 21 oktobra 2000.

SMM : Inona no andraikitr'ise eo @ fikambanana TEM, ary fivondronana avy aiza no nihavian'ise ?

Ando : Niandraikitra lovitao tao amin'ny Fivondronana faha-XXIX (29), FJKM Ambondrona Firaisana aho. Nanao ny fanekena Mpiandraikitra ny 23 septambra 2001 tao amin'ny FJKM Ambondrona ihany. Ankehitriny izaho dia mitana ny andraikitra filohan-tsampana Mavo ao amin'ny faritra faha-IV (4), Faritany Antananarivo Afovoany : departemanta fanabeazana lovitao miandraikitra Fiangonana 12 eny amin'ny « Haute ville » Antananarivo eny.

SMM : Ahoana no nahafantaran'ise ny skotisma ?

Ando : Nisy « tantine-nay » cheftaine lovitao tao Ambondrona, dia olona mpifanolobodirindrina taminay koa Mpiandraikitra voronkely tao. Ireo no nitondra ahy nivory voalohany. Mba nanaraka azy tany fotsiny dia tamana ho azy avy eo, ny Ray aman-dReny rahateo koa tsy nanakana satria ny Dadako rahateo Tily tranainy, dia tafiditra skoto aho izany … Ary mbola ao anatiny hatramin'izao.
 


SMM : Ahoana no nahafantaran'ise ny SMM ary inona no nahatonga an'ise hiditra eto amin'ny SMM ?

Ando : Rehefa nikarokaroka momba ny skoto sy nifandraindray tamin'ny namana skoto, mpiara-miasa taloha aho, dia nahita ny SMM. Nasain'ny namana mba handray anjara. Ny tena koa liana rahateo te hifandray amin'ny namana skoto hatramin'izay, hizara ny zava-misy eto amin'ny fikambanana amin'izao, te ahafantatra ny vaovao sy ny zava-misy manodidina ny skoto, inona no mba ataon'ireny namana skoto nandao an'i Madagasikara ireny ? ... Ary indrindra mba te hifanakaiky kokoa amin'ny Mpanazava.

SMM : Ahoana no fahitan'ise ny mpikambana eto amin'ny SMM ?

Ando : Betsaka mihitsy ireo olona mpikambana no teto amin'ny SMM vao hitako endrika, amin'ny alalan'ny sariny moa izany. Dia mahafaly ahy ilay hoe skoto foana na aiza na aiza misy e !!! Tsy manadino ny Skoto Malagasy. Mahafinaritra ny fitomboan'ny mpikambana, sady midika sahady hoe mila hetsiketsehana tsara izany ity SMM ity fa mahaliana ny maro. Dia inona moa izany fa dia hihatsara hatrany no tanjona. 
 

Filoha Ando - fitantanana


SMM : Inona no fiofànana narahin'ise tany am-pianarana ?

Ando : Hajanoko kely aloha ny resaka fikambanana fa adidy amin'ny tena indray ary izao. Nianatra teny amin'ny oniversiten'Antananarivo aho, nanaraka ny fiofanana momba ny harena ankibon'ny tany, « géologie et mines ». Mbola amin'io ihany no sehatra hiasako ankehitriny fa manao « consultante ». Rehefa misy « recherche » na « prospection » hataona orinasa iray dia mandeha ... Fiainana skoto ihany moa izany no any fa saingy asa no mibahana.

SMM : @ fotoana tsy fiasàna dia inona no ataon'ise ?

Ando : Rehefa tsy miasa na mandeha « terrain » izaho dia mijanona mikarakara trano, manjaitra ihany koa no tena andaniako ny androko ... Mamaky gazety sy manao « jeux ».

SMM : Misy hafatra kely ve tian'ise ampitaina @ mpamaky ?

Ando : Mbola maro ny fotoana hitafatafantsika eto fa dia manantena antsika mpikambana handray anjara mavitrika @ hetsika izay atolotra ho antsika, na ny fifanakalozana na ny ady hevitra ... Dia maniry ihany koa ny mba hifanentanantsika rehetra. Misaotra ny SMM ! Dia mankasitraka ny fandraisanareo.

Misaotra an'i Filoha Ando ny SMM nanaiky nanome fotoana, hamantarantsika bebe kokoa azy. Dia mirary soa amin'ny andraikitra tànany eto amin'ny vondrona.

Ho an'ny SMM, nangonon'i Stefana - 22 aprily 2009

Isan'ny mpitsidika hatramin'ny anio : 

 
Fanamarihana momba ny tranonkala : Ilazàna isika fa tranonkala andrana, mbola tsy vita aloha hatreto ity atolotra anareo ity.
Koa manao azafady raha toa ka misy zavatra sy soratsoratra isan-karazany tsy misy hidirany @ SMM, satria fampiantranoana maimai-poana ilay izy ka dia tsy maintsy misy dokam-barotry ny mpampiantrano. Raha manindry ny bokotra etsy ambany izany ianareo dia tsy ahita votoatiny nataon'ny SMM, satria tsy izahay no nametraka azy ireo
.



Créer un site
Créer un site